Zovy

Njila

Zovy


Zovy no tsy mahalala fa ny fitia tsy lalao
Zovy no tsy mahafantatra fa tia ahy ianao
Nahoana re no nisy fitia tahak’izao
Sangisangy mihoatra ny loha mba sangy natao


Raha mbola misy ny fahazavana
Na dia mbola eo ihany ny hatanorana
Fitia toy izao ve Fitia nangalarina
Ka tsy maintsy asiana Fitsaharana


Misaotra anao aho fa tena nahita
Fahafinaretana ary alahelo tsy ritra
Aza hialanao tsiny f’izaho koa nahatsapa
Fa fitia dieny voalohany no efa voakapa

Loza no mety hitranga raha mbola tohizina
Izao fiarahan-tsika izao fa sao lasa maizina
Ny fiainana ’zay misy antsika any aoriana
Avelao aho irery hieritreritra mangina

MusicMusicMusicMusicMusic***


Zovy no tsy mahalala fa ny fitia tsy lalao
Zovy no tsy mahafantatra fa tia ahy ianao
Nahoana re no nisy fitia tahak’izao
Sangisangy mihoatra ny loha mba sangy natao


 Iny namako iny mandehana mankany
Raha mbola eo ihany ny fahazavana
Manaova toy ny ianareo irery no eto an-tany
Fa ny antsika fitia niserana ihany



Loza no mety hitranga raha mbola tohizina
’Zao fiarahan-tsika izao fa ndrao lasa haizina
Ny fiainana ’zay misy antsika any aoriana
Avelao aho irery hieritreritra mangina

·