ZOVY
Ny any aminay
ZOVY
Zovy e ! zovy e ! zovy o ! zovy o !
Zovy o ! zovy o !
Zovy ka iza ry lahy
Tsy akamantatra akory no atao
Fa embona sendra mipody
Injao mifanjevo ao anatiko ao
Fa mamy dia mamy ny mody o !
Zovy e ! zovy e ! zovy o ! zovy o !
Zovy o ! zovy o !
Zovy ka iza ry lahy
Ny feo-karavasin’ireo mpiandry omby
Manako any andrefan-tanäna
Ny foko mihitsy no tsy omby dia tsy omby
Mitraotra ka mila tsy ho tana
Zovy e ! zovy e ! zovy o ! zovy o !
Zovy o ! zovy o !
Zovy ka iza ry lahy
Ny horakorak’ ireo mpiandry fody
Manerana ny lohasaha
Ny embona sy anina no injao mitampody
Maningotra ny aty fanahy o !
Zovy e ! zovy e ! zovy o ! zovy o !
Zovy o ! zovy o !
Zovy ka iza ry lahy
lrony lamako sy dihy fehizay
Diavolana soa takariva
Ahatsiarovako indrindra ny any aminay
Ny ranomasoko indro madiva o !
Zovy e ! zovy e ! zovy o ! zovy o !
Zovy o ! zovy o !
Zovy o ! zovy o ! zovy o ! zovy o !
…
Tonony sy Feony : RAKOTOARISOA