ZOVY

Mihanta

ZOVY


Indray andro aho dia resy tomany,
Nahatsiaro tena fa…
…irery !
Tsy mba nisy namangivangy,
Na mba niara-dia…
…teny ho eny !


      Aiza no aleha ?

Dia tapi-dalàna ve…
Zovy e, zovy e, zovy e ?
No mba ahatsiaro, amin’ireo maro.

Rehefa milentika iry masoandro
Miloko tsara ery…
…ny hariva
Ngoly fanahy sy manganohano
Mibanjina iry…
…vodi-lanitra iry


                    Jembijemby ireo maso

Mararirary ny tena
Zovy e, zovy e, zovy e ?
No mba ahatsiaro, amin’ireo maro.

·