Zava-miafina
André Titys
Zava-miafina
Zovy moa izato ianao miseho mahalala ny ato am-poko
nefa izao no lazaiko na fifaliana na toloko
no mameno itony saiko, sy mitoetra anatiko ao
tsy natao hisy hahalala, tombatombana ny anao
(miverina in-2)
Ny fahalalĂ na ny ato am-poko, zava-tsarotra ho anao
Ny hahafantaranao izany, mbola ho ela fa tsy izao
Ankehitriny aloha dia izaho, eny izaho samirery
no mahalala ny ao anatiko ao tena mbola zava-miery
Tsy ny tombatombanao sy ny hevitrao mangina
no ahafahanao milaza sy hahatonga higina
Tsy ny sofinao mandre na ny masonao mijery
no hahalaza ny ao anaty, tena mbola zava-miery