Zava-drehetrako

Nanie

Zava-drehetrako


Ianao no hazavana, taratro
Rehefa maizina ny lalan-kizorako
Ianao koa, no tondro-avaratro any antany tsy hay,
Tsy ahitam-panondro


Isan’andro ianao no mba anton-tsikiko
Na dia miha-mafy ny fiainana, mahalasa adala
Soa fa misy anao, manohana ahy
Tsy miala


Ianao no rivotra iainako
Zay mamelon’aina sy manome hery
Ianao no rano fisotroko
Na any antany maina sy karakaina


Isan’andro ianao no mba anton-tsikiko
Na dia hoe mafy ny fiainana, mahalasa adala
Soa fa misy anao, manohana ahy
Tsy miala


Raha sendra tsy eo ianao
Dia toy ny very
Tsy manankatenaina, fa irery


Nefa nohy ny eo ianao
Dia mety ery, tsy misy ny indrony na anambiny
….


Ny fiainana, mahalasa adala
Soa fa misy anao, manohana ahy
Tsy miala


Misy anao, manohana ahy
Tsy miala


·