Zarao ny mazava
Ny Feo Mamatonalina
Zarao ny mazava
‘Njao feo mitomany manohina ny fo
Voageja mijaly mahantra tokoa
Tsisy manambara ka maizina e !
ny Filazan-tsara mba tiany ho re !
Zarao ny mazava, zarao ny mazava
zarao ny mazava mba hanjaka ety …
Ianao ‘zay nomena sy efa nandre
Nandray famonjena meteza hanome
Torio fa Jesosy dia ho azy koa
Tetezo ny Nosy handre avokoa
Jesosy mpandresy dia homba tokoa
Hanafy ny hery ka dia mijoroa
Fanahy hanazava sy hialoha anao
ka dia hampisava ny haizina ao