Zanako vavy

Mahaleo

Zanako vavy


Andeha ianao ry zanako vavy
F’efa io ilay fanilon’ny andronao ho avy
Andeha ianao ,andeha ka mahereza
Ny tokantranonao no iriko hateza


Ny masoko raha toa manganohano
Tsy tomany na alahelo fa andon-tso-drano
Hifarana eto ny anay ny adidy ,
Lehibe ianao ka tompon-tsafidy


Andeha ianao lasan’iny olon’iny
Tsy fantam-pototra mpandalo mpivahiny
Andeha ianao ianao ilay tsy sarako
Hanadino ahy hanadino ny anarako


Aza mieritreritra fahasarontam-piaro
Samy tia anao izahay nefa fitia tsy azo afangaro
Fa izahay no tany naniriana
Mahararirary na tiana na tsy tiana


Andeha lala o o o andeha lala o
Mpindrana izahay fa tsy natao ho tompony
Andeha lala o o o andeha lala o
Ny mamy lasany fa ny anay dia ny fofony


Andeha ianao ry zanako vavy
F’efa io ilay fanilon’ny andronao ho avy
Andeha ianao andeha ka matokia
Enga anie ka tsy ho sampona ny dia


Ny reninao aza avela hangina
Fa efa nisostro ny rano tsy tiana o o
Raha mibaliaka ny fitiavanao anio
Ireo nahary mba tsiditsidiho


Omeko anao ho anao ry tovolahy
Ity harena tokana sy sarobidy ho ahy
Omeko anao f’izaho tsy ho sarotiny
Nefa mba amelao fitia potipotiny


Izahay tsy mitady vali-babena
Fa io fitiavan’io no aza avela hihena
Fa raha ts’izany dia ahatsiaro ho kamboty
Toy ny mpamboly tsy afa-mioty


Andeha lala o o o andeha lala o
Voatery hangina na tsy mahafoy
Andeha lala o o o andeha lala o
Raha misy mahaory izany ’zahay no antsoy


·