Zanako
Jaspy
Zanako
Tapa-kevitra ny handao ahy ianao
Ny ho alehanao tsy fantatro
Indro handeha izao, handao ’ty Rainao
Faly tamin’ilay lovasoa
Nataoko ihany ny hitàna
‘Ndrisy fa tsy resy lahatra ianao
Zaza mafy loha, atao ahoana moa
Hiainga no efa masaka ao an-doha !
REF :
Sombiniaiko, tena ilaiko, ka handrasako isanandro
Eo ambony lavarangana eo
Dia mitazana mankany
Sao ianao mba tamy ihany
Ilay zanako lasa nandeha
Zanako, zanako, zanako, modia ianao
Zanako, zanako, zanako, modia ianao
Ho antsika ‘zay te ho zanany
Aza dia variana eto an-tany
Satria Ilay Ray, ‘zay Mpamorona
Sarobidy ho Azy izaho sy ianao
Fantatro ny fahasambarana eto
Fa mandalo sady feno sento
Antsoy hoe vonjeo, Izy no jereo
Ny any an-danitra mandrakizay
REF :
Sombiniaiko… (x2)