Zanaka adala

SLK Ambohidroa

Zanaka adala


Njao misy feo manontany
Avy any lavitra any
Feo mitalaho manantena, modia re
Aza manjeny andro lava
Mbola tanora ianao
Ry zanaka adala ô tongava
Fa miandry izao ny Ray
Modia, modia, modia, modia


Na maro ny adalana,
izay vitanao tety
Ny tompo tsy mba mitàna
Lolom-po na anameloka anao
Raha hody ianao anio,
jehova tsy hikapoka
Akanjo vavao madio
No omeny ho saloranao modia


Aiza ianao, aiza ianao
No tsy hita mamalia
F’izy anie tsy hahafoy anao
Aza ela fa modia


·