ZANAKA
AFI Ambohidanerana
ZANAKA
Zanak’ Andriamanitra aho
Zanaka mahery am-panahy
Ka izay potika sy rava taloha
Dia natsangany havaoziny indray
Olona afaka aho amin’izao
Novidiany tamin’ny Rany
Efa nombohina teo amin’ny hazo
N’inona fanandevozana ahy
Ref : Hihira aho izao
Velom-panantenana
Fa tsy ho andevo intsony ny hiantsoany ahy
Fa efa ilay zanaka malala tsy foiny
Mpandova ny Ray, hiarina indray
Ka hitoetra eo an-kavanany aho tsy manahy
Ho mandrakizay
Zanak’ Andriamanitra aho ….