ZANAHARY O!

IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka

ZANAHARY O!



  1. Zanahary ô! tahio ny tanindrazanay
    Sao dia lasa anaty lavaka izahay
    Mila Anao Jeso ny vahoaka Malagasy
    Faingana re, fa tena mangasiasy


Ny fiainana tena sarotra
Ny vola miditra tsy mba betsaka
Reraka ny vahoaka Malagasy
Ny ady tany, ny ady lova
Tsy fandriam-pahalemana ôôô
Ny sampy amin’izany eo foana
Ny halatra mandavan-taona
Mahantra, sahirana, noana tsy an’asa
Mivavaha, mahareta, ka miandràsa



  1. Miantso anao ny Tompo anio hiaraka aminay
    Hitaraina isika amin’ilay Jehovah Ray
    Izy irery ihany no afaka hamonjy
    Ka hanafaka antsika izay mila vonjy
    Ô ry vahoaka ario ny ditranao
    Ô ry vahoaka ialao ty fombanao
    Raha tianao i Madagasikara
    Mila finoana tsy mivadibadika
    Sy fahamarinana ôôô
    Mivavaha, aza mitsahatra
    Mivavaha, aza miahotra
    Raha ny zanaka mantsy no hanafaka antsika
    Dia ho afaka isika
    AMEN AH!


Tompo ô, mbola manantena foana izahay
Fa ho avy ilay maraina vaovao
Tompo ô, tsy ho kivy mihitsy izahay
Fa hivavaka ho an’i MADAGASIKARANAY.


·