Zanahary

Hasly Hasminah

Zanahary


1.He ! Zanahary e !
Manatreha anay Ianao,
Fa efa nanota izahay,
Mangata-pamelana aminao.
Indreto, miara-mandroso,
Manatona Anao izahay,
Tsy mba hiova ny foko.
Raiso ho Anno mandrakizay.


Ref.
ie ! e ! e ! e !
Hanaraka Anao Zanahary
ie ! e ! e ! e !
Tsy haiala aminao izahay
ie ! e ! e ! e !
Hanaraka Anao Zanahary
ie ! e ! e ! e !
Tsy haiala aminao izahay


Mifona aminao Zanahary,
Miangavy ary koa mitalaho
Fa efa nanota izahay
Mangata-pamelana aminao
Indreto miara-mandroso,
Tazony ho Anao re ny foto
Hanaraka Anao izahay
Ho velona mandrakizay


ie ! e ! e ! e !
Hanaraka Anao Zanahary
ie ! e ! e ! e !
Tsy haiala aminao izahay
ie ! e ! e ! e !
Hanaraka Anao Zanahary
ie ! e ! e ! e !
Tsy haiala aminao izahay


·