Zaho tsy hiala

None

Zaho tsy hiala


Efa nofidianao ho zanakao malalanao eh
Toy ny voro-mahery tsy miady irery fa manana Anao


Tafiditra an-dapa nahazo laka hidera Anao eh
Sanatria raha hiala anaty vala zahay zanakao


Ref:
Zah tsy hiala eh
Tsy hiala eh
Tsy hiala Aminao
Zah tsy hiala eh
Tsy hiala eh
F’efa nofidianao


Falifaly ny fo ravo tokoa nomenao talenta
Hirahira sy dia no hasandratray ho Anao ry Ray


Hisaorako Anao izay rehetra nataonao ahy
Tsy hivadika intsony f’efa babonao, efa resinao


Ianao ry Ray aminay Roi
Tokana iray Jehovah
Nahary anay nofo sy rĂ 
Mandrakizay tsy hiala Aminao zah


Mba tahio tsy hivarina
Anaty antsana lalina
Tsy tonga hiantsos ny marina
F’izay mino no tafarina


Alaviro ny fakam-panahy
Isan’andro aman’alina
Mitady hangeja amam-panahy
Tsy mampilamina


Fiainana mitsapatsapa
Enta mavesatra tsy zaka
Mandatsa, mandratra
Fisianao no mampitraka


Ref:


·