ZAFINDRATAPAKA SY IKOTONDRAKIKINA

Tselonina

ZAFINDRATAPAKA SY IKOTONDRAKIKINA


Mandondona Razafindratapaka e
Arahin’ilay tsikin’ny Kotondrakikina izy e


Ndreo ry zareo manorisory ndreo ry zareo


Nokisikisinany ny eran’ny trano
Lasa lavanty ny entam-bavety
Ndreo ry zareo!


Kirizy krizy ny ato antonka-trano
Mijery an-drafotsy aza dia efa mahakamo
Oh, mampalahelo


Mampalahelo tokoa re izao mampalahelo
Mampivavabavaka sy maha-te hangalatra
Zafindratapaka kotondrakikina ndehana amizay


Io izao le-kikina dia mambosibosy
Mivarotra akanjo dia ndehana mi-trosa
Ndreo ry zareo


Le-tapaka amizany mandrisika ankizy
Zaza tsy ampy taona no amidy toa fripy
Ndreo ry zareo


Mandratra fon’akizy ary izao no mahita
Z’iro olon-dehibe miady taolam-pifika


Oay ty mba lova ô
Oay ty lova be napetrak’izy mivady
fahantrana midadasika tsy vita tora-tady


Ref:mapalahelo…


Tonga e,mamangy antsika firenena Malagasy
Razafindratapaka sy Ikotondrakikina
Ndreo ry zareo


Nofenofenoiny e,nofenoiny fety ny calendrier
Dia ireo fankalazana ny andron’ny kere
Ndreo ry zareo


Zany ka zany ka tena fahantrana
Indraindray ankanjo mena,indraidray miankanjo mavo
Ndreo ry zareo


Kely finoana aho raha toa ka milaza
Mbola hisy fandrosoana ve i Madagasikara.
Mampalahelo


·