Western

Belahy

Western


Iny misy pikla avy any Ambohitsaina
Ikala molamola te hampiasa atidoha
Izaho niala zigla, nisafosafo loha
Fa inona ary ity, iza no handoa


Nanantena ny hi-style
Avy atrany dia laginina
Azafady akia ra sipa
Fa ny aty mbola mahita


Dia nandeha namikiviky
Fa tsy mila mini-bus
De narahiko ato hafara
Te hamolaka i rakala


Mba androsa, androso akia rasipa
Fa ekeko izay mba revindry
Na inona na inona
Ny aty koa tous feeling


Na basy na tafondro
Ho vidiako fa azafondro
Raha tiandry
Nigagagaga be rasipa


Ou, ou, ou, ou (X2)
Rehefa revy dia mirevy
Fa tsy mila rediredy
Na sokoso io na salegy


Ou, ou, ou, ou (X2)
Raha fitia risoriso
Rahampitso dia hasiso
Tsa mba tiko mihanta piso


Dia nanontany trano,
Salon fanaovam-bolo
Hatramin’ny katôlôgy dia nampoitra teo daholo
Aoka aloha, aoka aloha


Nampoitrako ny gala
Avy hatrany dia adala
Nampiako gala dimy
Dia naneho ny faniriany


Nitoraka bilao
Nampiasa fikafika
Mitetika ho hatavy
Vetivety iray minitra


Efa zatra misangavona
Avy hatrany dia nitazona
Tiako anao Rabela
Tampoka eo dia bada-lela


Efa harako ilay pasy
Fa hatao toy ny any andafy
Mila saôsy, kata, vam
Misesy sy milamina


Saika handeha
Ty za gala de chant
I rasipa tonga dia nandaha


Ny azy anie ny tiany dia somary katrikatry
Hipitipitika hitsetsitra
Hanao toy ny parasy
Aoka aloha, dia nande nitoy ny dia


Ou, ou, ou, ou (X2)
Raha fitiavana tsy matotra
Matsatso mora vasoka
Mandratra ka hadaboka


Ou, ou, ou, ou (X2)
Atidoha miketriketrika
Any ankafa no mihetsika
Raha toa ka te ho tretrika


Dia nanipy teny
Nitady fanampiana
Sakafo, hofan-trano, ka hatramin’ny fitafiana
Aoka aloha, aoka aloha


Tena nampiomehy ny fihafarany tamiko
Tena koboko ny pasiny fa mody mitomany
Miketrika planina hampateza ilay fitia
Raha toa tsy fantatrao dia izy no mimi


Ny demandy trano vato
Misy fiara sy garazy
Dia nibitsika mangiana
Fa hoatao ny mariazy


Western ny aty
Kartie pain de Paris
Tapa-mofo iray vilia
No sahazan-dry mimi


Ny demande …
Westerne …


·