Vorona mandalo
Lolo sy ny tariny
Vorona mandalo
1-Na ny vorona nandalo iny aza
Nikopaka tsimoramora
Naraina loatra izany ora
Nahatsiaro anao aho tamin’izay
2-Ny masoandro nanazava iny aza
Tsaroako nangatsiatsiaka
Nangina ny tanànantsika
Nahatsiaro anao aho tamin’izay
REF(2fois):
Mbola lavi-dàlana aho
Hamakivaky ny ala (takotakon’ny havoana)2
Hamangy ny any Ankaratra aho
Mbola hihoty zavatra aho
Tsy menomenona