Vony mavokely

Ikalalila

Vony mavokely


Nitady ela aho ka izao nahita
Toerana asiana anao
Mba tsy ho simba
Hikoloako anao


Hay nanana vazy aho hofenoiko rano
Dia hatsoboko ao ianao
Hataoko ambony vata
Ho tazan’ny maso
Hamelana aza
Raha tratry ny hainandro


Dia ho feno
… Enga anie mba ho feno
Ny hanitrao
… Sy irony vony mavokely
Ny ao an’efitranoko ao
Tsy avelako ho lo mihitsy ianao


Angamba rahampitso
… Mino aho fa rahampitso
Raha tonga eo izy
… Ho avy handondona eo izy
Homeny voninkazo indray aho
Ho namanao !


Dia ho feno
… Enga anie mba ho feno
Ny hanitrao
… Sy irony vony mavokely
Ny ao an’efitranoko ao
Tsy avelako ho lo mihitsy ianao


Tononkira : Lila Ratoveloniaina
Feony : Lila Ratoveloniaina, Tsiry Ratoveloniaina


·