VONTOSY FILAZANTSARA
Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ)
VONTOSY FILAZANTSARA
VONTOSY FILAZANTSARA - FEO MAHAFALY NY ZIONA
- Ndreto izahay eto anoloanareo
Miara-mihira miara-mandihy e !
Haneho tokoa re ny fifalianay
Ho fideràna an’I Jesosy
Famonjena sy fitahiana
Fah’soavan-tsy vidiana
Zay narotsany aminay
Hiainanay mandrakizay
Raisinay ampifaliana
Zao no tanjona niriana e !
Merci Jesosy e ; Merci beaucoup e !
Misaotra Tompo e ; Misaotra Anao e !
- Ndreto izahay eto anoloanareo
Miara-mikalo ; miara-miantsa e !
Ifampizara sy hifanentana
Ndao hiara-hanompo
Ndao hiara-hiasa
Mifohaza izay matory
Mitsangàna andao hitory
Misikina mitafia ;
Sika rehetra hiara-dia
Mbola lavitra ny haleha
Maro koa reo tsy mandre
Eo ndrindra isika e !
H’vontosantsika e !
Ny filazantsara e !
Ty Gasikara !
T&F : RAVELOSON Fenosoa
FMZ