VONONA AHO

Chorale Taratr'i Maria

VONONA AHO


Sitrako ry Ray ny safidy nomenao ahy
Tsy noho ny fahamendrehako fa ny Fitiavanao
Na dia osa sy malemy aza aho dia nantsoinao
Ka ny fahasoavanao no mampatoky ahy


Ray ô vonona aho hanolotra ny tenako ho Anao
Vonona aho ka raiso hanara-dia Anao mandrakizay
Safidiko ny hanompo Anao mandrakizay
Tompo ô, inty aho fa vonona ka iraho
Ny ho Anao satria ampy ho ahy ny fitiavanao


Mahagaga loatra ny asanao maha te hidera
Izany indrindra mahatonga ahy miroso manolo-tena
Indro ny tenako atolotro ho valim-pitia
Faniriako ny hanaraka Anao mandrakizay ho doria


Sarotra ny lalana, malama sady mideza
Ny hery avy Aminao no ho ampingako mateza
Ny Fitiavanao no itokiako hatrany hatrany
Zay efa nambomba ny fiainako mandrak’androany


·