VONONA

IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka

VONONA


VONONA (KATEKOMENA 2016 ANDIANY VONONA)


Ref : Vonona mba ho tanteraka
Amin’ny asa atao rehetra
Fiainam-baovao manomboka izao
Vonona ny ho miaramilanao


Ö! ry Tompo, inty aho iraho
Fa vonona hanao ny asaNao
Ny androko rehetra, tsy hasiako fetra
Hafoiko ho Anao manontolo


Tsy mendrika ny hanonona
Ny Anaranao, kanefa nantsoiNao
Raiso ry Tompo, mba ho mpanompo
Tena vonon-kandroso


Ref : Vonona mba ho tanteraka
………………………………………………..


Raha sendra ny fakam-panahy
Inty aho ry Tompo, handroso
Ka tsy ho kivy, tsy hanana ahiahy
F’Hianao mitoetra ato am-po


Ny rehetrako, ny ho aviko
Ho fiainam-baovao eo an-tanaNao
Ankehitriny, manolo-tena
Hanao ny asam-pamonjena


Ref : Vonona mba ho tanteraka
……………………………………………..


·