VONJEO NY TANINAY

AMPIZIFA

VONJEO NY TANINAY


Andriamanitra ô! jereo ity Nosy
Fa Ianao no mahavonjy
Ny asan’ny satana izay mampahory
Sakanonao fa aza avela hamotraka ahy


Vonjeo Ray, Vonjeo re ny taninay
Hifonanay ny ratsy vitany
Mba hiantrao
‘Ty Nosinay


Ny vahoakanao ry Ray mila vonjy
Fa mahantra sy mijaly ery
Mba tsinjovinao izahay Ray Mpamonjy
Afaho ny geja izay mamatotra anay


Vonjeo Ray, Vonjeo re ny taninay
Hifonanay ny ratsy vitany
Mba hiantrao
‘Ty Nosinay


Mba hampanjakao ry Tompo Malala ô!
Izay mpitondra hendry avy Aminao
Ka tsy hisy intsony ny fankahalana
Hifankatia, hifampitantana izahay


Vonjeo Ray, Vonjeo re ny taninay
Hifonanay ny ratsy vitany
Mba hiantrao
‘Ty Nosinay


Vonjeo Ray, Vonjeo re ny taninay
Hifonanay ny ratsy vitany
Mba hiantrao
‘Ty Nosinay


AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)


·