Vonjeo izahay
Hanitr'ilay Fo Tia
Vonjeo izahay
Refrain
Ry Jesoa Kristy o, vonjeo izahay fa latsaka anaty haizina
Ity firenena tanindrazanay, Madagasikara nosinay
Reraka ny aina tsy hita izay atao
Feno haizina ny fon’ny olona
Manohitra Anao sy ireo didinao
Resin’ny fiainana an-tany
Ireo olon-kendry hamavoina
Hatao tsinontsinona ireo heviny
Ny fanantenana sy fitiavana
Fahatsiarovana sisa izany