Voninkazo

S.A.Am.Mi ( Sekoly Alahadin'Ambohimasina Mihira )

Voninkazo


[ 1 ] Mba hafa loatra
Raha samy asa-tanana
Tsy misy mahay
Nefa tsy vitsy mpanana
Fa kanto loatra
Raha samy voahary
Ny Voninkazo nataon-Janahary


Refrain :
Voninkazo
Raha ara-tantara
Dia sambatra loatra
Ka sahiko ambara
Fa na zovy mpanjaka teo amin’ny fireneny
Tsy nisy nitafy na iray tamin’ireny.


[ 2 ] Jereo tsy miasa
Ary koa tsy misasatra
Nefa dia velona
Sady tonga lafatra
Mainka fa ianao
Izay noharian-Janahary
Vao mainka hokarakarainy


Refrain : …………. (X2)


Voninkazo an-jaridaina
Mampahiratra ny saina
Mampahiratra fanahy
Voninkazo eny an-tsaha


A/C : Mami Daniel


·