Voninahitra ho anao

STK Ambohijanaka fivoarana

Voninahitra ho anao


And. 1(x2)
Jeso ianao no heriko sy fiainako
Na ho aiza ny lalana aleako
Dia tsy maintsy mpandresy aho noho ianao
Ny voninahitra ho anao


Ref:
Fa maro be ireo sedra nahazo ahy
Saika namono ny fanahy
Ny anaranao lay feno fahefana
No nandosiran’i satana


Jeso ianao no heriko sy fiainako
Na ho aiza ny lalana aleako
Dia tsy maintsy mpandresy aho noho ianao
Ny voninahitra ho anao


And. 2(x2)
Jeso no harenako sy fananako
Na mahantra aza aho dia sambatra tokoa
Tsy mihambahamba aho milaza aminao
Oe voninahitra ho anao


Ref:
Ny andro sisa hiainako ety
Hanjakanao ry Jeso tia
Hidera anao mandrakizay doria
Ny hivadika dia sanatria


Jeso no harenako sy fananako
Na mahantra aza aho dia sambatra tokoa
Tsy mihambahamba aho milaza aminao
Oe voninahitra ho anao


Jeso ianao no heriko sy fiainako
Na ho aiza ny lalana aleako
Dia tsy maintsy mpandresy aho noho ianao
Ny voninahitra ho anao(x3)


·