Voninahitra Ho an'Andriamanitra

Tarika Vonjy

Voninahitra Ho an’Andriamanitra


Prelude :
An-taona maro no niandrasana
Samy nahatsiaro ireo fahamarinana
Izay tany aloha indro efa to
Fa teraka Ilay Mpanjaka Lehibe
Ka aoka isika samy mihoby Azy re


Indro aho milaza teny soa
Fifaliam-be ho an’ny olon-drehetra
Indro teraka ao Betlehema
Ilay Mpanjaka dia Kristy Jesoa


Teraka ny Tompo, Haleloia
Ndeha hankalaza ny Anarany
F’Izy no Mpamonjy, Haleloia
Fiadanana ho an’ny olony


Voninahitra anie
Ho Andriamanitra ao amin’ny Avo Indrindra
Fiadanan-dehibe
Ho an’ny olona ankasitrahany
(×2)


(Interlude)


Teraka ny Tompo, Haleloia

Voninahitra anie


(Miakatra clé)
Voninahitra anie

Ho an’ny olona
Ho an’ny olona
Ho an’ny olona ankasitrahany


·