Voninahitra ho an’ Andriamanitra
Chorale Taratr'i Maria
Voninahitra ho an’ Andriamanitra
Voninahitra ho an’ Andriamanitra
any antampon’ny lanitra voninahitra
Fiadanana ho antsika olombelona
Voavela heloka fiadanana
Midera anao izahay mankalaza anao
Mihoby ny hasinao sy mitsaoka anao
Misaotra anao izahay voninahitra ee
Jesoa tomponay zokinay ianao
Fa zanaky ny Ray mpanala ny otanay
Afaho ny helokay Voninahitra ee
Tompo masinay avo indrindra ianao
Ilay mipetraka eo ankavanan izy Ray
Miaraka amin’ny Fanahy Voninahitra ee