Voninahitra

Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA)

Voninahitra



  1. Voninahitra ho Anao Andriamanitra Tomponay
    Derainay Ianao noho ny fitiavanao
    Fa nanome an’i Jesoa zanakao lahitokana
    Tonga nofo hamonjy anay
    Na mpanota izahay Mbola namindranao fo
    Ka navotanao indray, faly tokoa


ref: Asandratray ny voninahitra ho Anao Ilay teraka
Nandao ny lanitra ho anay
Fiadanana tononina ho an’ny olona ankasitrahana
Haleloia !



  1. Voninahitra no Anao Andriamanitra Tomponay
    Faly izahay novonjenao ka afa-keloka
    Ravo ny fonay ka midera mankalaza ny anaranao
    Mihoby anao izahay Jesoa
    Efa lavo izahay indro fa nareninao
    Hira no atolotray avy amin’ny fo


·