Voninahitra

Feon'Kalvary

Voninahitra


Voninahitra,saotra sy haja
Dera sy laza koa, ho Anao tsitoha
Tsy hangina ny fo hankalaza
Hidera Anao, Tompo ny Tompo


Hira fiderana sy Hosana, voninahitra
Haja ambony indrindra, feo mirindra ho an’Andriamanitra
Raha misaina ao am-po ny fitiavanao, hitoetra maharitra
Atao ahoana e, no hangina tsy hidera anao


Ka raiso avokoa ho anao tokoa ny voninahitra
Ka raison ny feo hihirahira ho Anao mba fanatitra
Fa raha tsy hitsahatra intsony ireo molotro ireo
Hihira hatrany hidera Anao
Tsy mbola ampy hilaza ary koa hankalaza ny fitiavanao


Voninahitra,saotra sy haja
Dera sy laza koa, ho Anao tsitoha


( A/CAndrianvalona Hobisoa)


·