Vohay varavarana

SLK Ambohidroa

Vohay varavarana




  1. Mba tsapanao ve namako?
    Ilay mpamonjy, nijaly mba ho solonao
    Izay namoy ny ainy
    hanavotany ny fiainanao




  2. Tsapako tokoa izany
    Fa satana maneho ny ambabo fo ahy
    Izao anefa mba maniry,
    hampandroso azy ao am-poko




  3. Ho anao izay mihaino indray
    Ka variana amin’izao fiainana izao
    Mielina ny eto an-tany
    Fa ny any an-danitra no mandrakizay




  4. Ka katsaho ny fanjakany
    Mitadiava ny fahamarinany ianao
    Dia hanampy anao izany
    Amin’ny rehetra atao




FIV:
Vohay varavarana Izy
Raiso ao anaty ao Izy
Jesoa no avelao
Hialoha laharana
Ahazoana fiadanana


·