Vohay Jeso !

Riampeon' Ny Maritiora

Vohay Jeso !

Ry namako ô! sahiran-tsaina ve? rerak’ireo ratsy fanao
leo miazakazaka ny amin’ny tsy mahasoa
Moa mba renao ve? ilay feo miantso mafy hoe:
miverena modia miandry anao Jesoa tia

Ref : Mandondona ao am-ponao Jesoa izao ankehitriny izao
Mbola hinia hania ka hiaina anaty haloka mangeja ve?
fa raha anio ianao no mandray Azy hitoetra ao am-po ka hanjaka ao
dia Izy no hanome anao fitsaharana

Ry sakaizako ô! aiza ho aiza moa e!
ianao ilay nanary finoana nanalavitra mafy an’i Jesoa
Anio miverena fa Izy efa nilaza
fa izay manantona Azy tsy mba ho laviny

Ref : Mandondona ao am-ponao Jesoa izao ankehitriny izao
Mbola hinia hania ka hiaina anaty haloka mangeja ve?
fa raha anio ianao no mandray Azy hitoetra ao am-po ka hanjaka ao
dia Izy no hanome anao fitsaharana
Mandondona ao am-ponao Jesoa izao ankehitriny izao
Mbola hinia hania ka hiaina anaty haloka mangeja ve?
fa raha anio ianao no mandray Azy hitoetra ao am-po ka hanjaka ao
dia Izy no hanome anao fitsaharana

Raha anio no fotoana hiavin’i Jesoa? (vohay Jesoa Vohay Jesoa)
Mba efa nosaininao ve izay ho fiafaranao? (vohay Vohay Vohay Jesoa)
Ho very sa handova ilay lapa soa? (vohay Jesoa Vohay Jesoa)
Tapao ny hevitrao sao tsy hisy ny ampitso

·