Voatsindrin'ny havanareo

NV

Voatsindrin’ny havanareo


Naka sisiny aho fa anareo moa arabe
Ô misaotra anao mba namela ahy ihany handeha
Telo taona be zaho voarirarira teo
Voasongon’ny havanareo ô


Naka sisiny aho ilay tsy nahay fomba fanao
Ô misaotra anao fa tsara hotra aho amin’izao
Telo taona be zaho voarirarira teo
Voatsindrin’ny havanareo


Izay fangatahanao nataoko
Izay sitraponareo dia vita
Nasaina niondrika aho dia lasa
Natao niandrandra dia nitraka


Mbola tsy faly avy eo tenisany
Mbola niziriziry teo
Hay misy didy tsy voasoratra
Tsipy kely tsy voahefa


Naka sisiny aho fa anareo moa arabe
Ô misaotra anao mba namela ahy ihany handeha
Telo taona aho izao no voarirarira teo
Voasongon’ny havanareo ô


Naka sisiny aho ilay tsy nahay fomba fanao
Ô misaotra anao fa tsara hotra aho amin’izao
Telo taona be zaho voarirarira teo
Voatsindrin’ny havanareo


Mba nanantena fahamarinana
Kinanjo sendra zara vilana
Propagandy be mipoaka
Hoe efa niova aho ry vahoaka


Izaho izao no vavolombelona
Vaky loha nipenompenona
Nitalaho avy eo nanefa
Nohon’ny tahotro ny ngeza


Naka sisiny aho fa anareo moa arabe
Ô misaotra anao mba namela ahy ihany handeha
Telo taona aho izao no voarirarira teo
Voasongon’ny havanareo ô


Naka sisiny aho ilay tsy nahay fomba fanao
Ô misaotra anao fa tsara hotra aho amin’izao
Telo taona be zaho voarirarira teo
Voatsindrin’ny havanareo


Tsy ho tononiko eto re ny servicenao
Ndrao hofofo ny aiko ny hatezeranao
Be ny alahelo izay tsy levon’ny vavony
Ka mba nataotaoko hira ô


·