Voatana

Bessa

Voatana


Misy anjely voatokana hanoratra
Ny asan’ny tsirairay
Tsy miangatra fa toy ny milina
Ka ny ataony dia mandray


Ref : Ny any an-tsaina fantany, Izay lazaina henony
Izay hatao dia hitany, Ka tsy misy adinony
Asa soa voasoratra, Lolom-po voasoratra
Niova fo voasoratra, voatana an-tsoratra


Izay voatana dia raikitra mipetraka
Na ratsy izay na mba soa
Izay voasoratra efa voasoratra
Ho fitsarana anao tokoa


Nefa raha misy solafaka mibaboka
Miandrandra an’i Jesoa
Izay voasoratra dia azo antoka
Fa ho voafafany avokoa


Bessa & Lola
(Nex)


·