Voasarika

RAMIAN

Voasarika


Ekeko anie fa lavitra ny misy anao
Arena soa, sarobidy koa ny anilanao
Fitiavana no nokasaina,
Ianao ihany no hantenaina
Hampifalifaly ny foko


Voasarika efa ela eh
Fitiavako anao malala tsy ho levona
Faniriako efa ela ny iara-dalana aminao
Ka hiezaka mafy ho anao mba tsy ho tavela eh


Lavitra tsy ho takatro
Fitiavanao no tsapako
Raha tsy eo ianao tsy ho zakako
Tsy misy fifaliana raha tsy anilanao
Voasarika efa ela eh
Raha misy hampisaraka tsy hasakana
Malalako, hianteherako, fitiavako, harenako
Tsy ho hatakaloko, hifikirako
Sarobidy koa ny anilanao
Malalako, hianteherako, fitiavako, harenako
Tsy ho hatakaloko, hifikirako
Sarobidy koa ny anilanao


Voasarika efa ela eh
Fitiavako anao malala tsy ho levona
Faniriako efa ela ny iara-dalana aminao
Ka hiezaka mafy ho anao mba tsy ho tavela eh


Na mamy na mangidy efa niharetana
Fitiavako anao malala tsy ho levona
Faniriko efa ela ny iara-dalana aminao
Raha misy hampisaraka tsy hasakana


Voasarika efa ela eh
Fitiavako anao malala tsy ho levona
Faniriako efa ela ny iara-dalana aminao
Ka hiezaka mafy ho anao mba tsy ho tavela eh


·