VOAFETRA

Antoko Mpihira PENIELA Ambohimandroso Alfa sy Omega

VOAFETRA


Voafetra ihany, izay ny eto antany
aza dia sondriana revon’izay tiana
fa ny fiainana eto anie ka mampisento
hita miharihary simba ny voary
tsara ny tontolo nefa tsy mba voakolo
simba ny toetsaina tsy hay tanisaina
tena mahonena ity fitiavan-tena
izay nahazo laka sy niorim-paka


Voafetra ihany, izay ny eto antany
aza dia sondriana revon’izay tiana
fa ny fiainana eto anie ka mampisento
hita miharihary simba ny voary
tsara ny tontolo nefa tsy mba voakolo
simba ny toetsaina tsy hay tanisaina
tena mahonena ity fitiavan-tena
izay nahazo laka sy niorim-paka


Eo anilanao JESOA no mahatsara ahy
mandry ivohon’ny vato fa ianao no miahy
Resy lahatra ny foko tsy manahy
fa ianao no fitsaharana am-panahy
ianao no ekena fa nitondra famonjena
fahendrena ho ahy ny manolontena
faniriana tena nofinidy tsy terena
tanjona Jesoa ny fiainam-pandresena


Eo anilanao JESOA no mahatsara ahy
mandry ivohon’ny vato fa ianao no miahy
Resy lahatra ny foko tsy manahy
fa ianao no fitsaharana am-panahy
ianao no ekena fa nitondra famonjena
fahendrena ho ahy ny manolontena
faniriana tena nofinidy tsy terena
tanjona Jesoa ny fiainam-pandresena


·