Voady

Johasina

Voady


Na fiakarana malama, ny làlana hodiavintsika
Dia ho eto foana aho
Na feno ahitra aza, maniry an-jaridainantsika
Ho esoriko hatrany


Na rano mikorina mitady handrava
Tsy avelako handifitra an’ilay lapa
Na feno habibina , ny tany izay iainantsika
Hahasambatra ianao


Fiv: Voady tokana no ataoko
Hikarakara anao hatrany, ooo
Ho be tantara mahatsikaiky
Mandrakizay doria doria


Rehefa mifarana reo fety, izay andihizantsika
Tohizako ihany
Vao misy ny tsy mety, refa mihirahira isika
Hiara hivalana aminao


Na rano mikorina mitady handrava
Tsy avelako handifitra an’ilay lapa
Na feno habibiana, ny tany izay iainantsika
Dia Hahasambatra ianao


Fiv: Voady tokana no ataoko
Hikarakara anao hatrany, ooo
Ho be tantara mahatsikaiky
Mandrakizay doria doria


Na rano mikorina mitady handrava
Tsy avelako handifitra an’ilay lapa
Na feno habibiana, ny tany izay iainantsika
Dia hahasambatra anao


Fiv: Voady tokana no ataoko, ooo
Hikarakara anao hatrany, iii
Ho be tantara mahatsikaiky
Mandrakizay doria doria x2


Kajiko eee, hajaiko oooo
Babeko eee, mamiko o/o/o/o/o


·