Voadiko

None

Voadiko


Voadiko


           Izao andro anio izao

Andro iray ho ahy sy ho anao
Tafaray ny tia sy tiana
Dia nifanao dina
Natambatr’ilay fitia
Vonona hiaradia
Niaraha- nanao sonia ilay boky
Fa efa nifanome toky

FIV: Izao no voadiko, Ho tia anao aho
N’inona hidona e, N’inona hiatra
Ianao no vadiko, Hanaja anao aho
Ny amiko rehetra, ho anao tsy misy fetra

Indro amafisiko eto
Ireo toky izay nomeko
Fa ianao irery ihany
No mamiko eto antany
Ka na fifaliana
Na ho fahoriana
Tsy ataoko hampiova fo
Na ho ratsy na ho soa
FIV:
SOLO
FIV
Ny amiko rehetra ho anao tsy misy fetra (x3) ………… Fa aina no fetra


@Tanx rakotoarimanana


·