Voadiko
Tanora Masina Itaosy
Voadiko
Jesosy Malala Tsitoha
Izy Ilay niady noho ny heloko
Tsy hamela ho very ity zanaka mpanota
Fitiavan-dehibe tokoa
‘Zay efa nambara hatrizay
Sy notoriana fa Zanaky ny Ray
Nitondra ny Hazo Fijaliana mafy indrindra
Nangidy loatra tamin’izay
Fiverenana :
Fa Jesosy Tompo, ny mafy nentinao re!
Tsy hadinoko fa vonon-kanompo
Hanao ny sitrakao f’izay no VOADIKO
Mavesatra ny alahelo
Kanefa tsy amin’ny fihetseham-po
Na ami-molotra no hanehoako izany
Na amin’ny tomany
Fa ny Fanekena Anao
Inty aho Tompo Oh! Inty mba hanjakao
‘Lay fototry ny fahorianao fahiny
Maniry hiverina Aminao
Fiverenana : Fa Jesosy Tompo, ny mafy nentinao re! …
A/C : SDN