Vitànao

Ramian ft Ynnaf

Vitànao


1.Tsy nino aho raha vao nahare izao:
Hoe izaho sy ianao no nifandao!
Fa inona no nataoko?
Nahatonga anao nandao!
Nisento sy manembona aho
Mahatsiaro ireo izay natao,
Niarahana…


Bridge:
Kanefa raha izay no tinao,
Andao fa tsy hitazona aho,


Refrain:
Dia vitanao ny nanadino eh!
Ny saiko toa tsy nety nino hoe:
Hoe Ianao…
Nahavita namitaka ahy!
Dia vitanao ny nanadino eh!
Ny saiko toa tsy nety nino hoe:
Hoe Ianao…
Nahavita namitaka ahy!


2.Lasan’olon-kafa ilay tambitamby napatory ahy
Ireo fotoana mamy niriko ho mandrakizay!
Hary elatra ny fonao, niafy teto aho…
Nitampify irery no sia azo atao…


Bridge:
Kanefa raha izay no tinao,
Aleofa tsy hitazona aho,


Refrain:
Dia vitanao ny nanadino eh!
Ny saiko toa tsy mety mino hoe:
Hoe Ianao…
Nahavita namitaka ahy!
Dia vitanao ny nanadino eh!
Ny saiko toa tsy mety mino hoe:
Hoe Ianao…
Nahavita namitaka ahy!


La la la la la la la la…
La la la la la la la la…
La lala la la lala lala …


Ramian x Ynnaf - Vitànao


·