Very hevitra

Akon'i Fanantenana

Very hevitra


Very hevitra ianao
Toa tsy hita izay atao
Raha faly ny maraina
Ny ariva mitaraina


Fiverenana:
Raha mila fanafody
Dia ity re no tsarovy
Mandalo ihany izany*2
Raha mbola eto antany


Raha tojo akiviana
Toa vesaram-pahoriana
Iajadian’ny fijaliana
Fa nilaozam-pifaliana


Fiverenana:
…………..


O ry tompo mba jereo
Ity zaza mitoreo
Ilay zanakao nania
Mba faingana re avia
Raha niala tao antrano
Fahiny aho nisalasala
Hiverina ao ambala
Ity zanaka adala
Hiverina ao antrano
Mba tsy hidiran’angano
Fiverenana:
………….


·