Very
Reko - Fy & His Band
Very
Sombiny avy amin’ny aiko
Izay ahy dia anao!
Lazaiko foana hoe ianao lalaiko
Nefa adinonao
…
Ianao ilay zanaky ny fitiavana
Ilay tokony hizara indray no mangetaheta
Tena ho faly izay rehetra mitazana
Ka reraka ihany aho manakatra lenta
…
Refrain:
Ny maha-ianao anao, toa very
K’ilay fitiavako anao, lazainao mistery
Mora maratra ianao, mora sorena kely
Izao tontolo izao, lasa tianao hiodina aminao irery
…
Izao rehetra izao sombinaiko nataoko hanjakanao
Izay rivotra mitsoka indray no mibaiko ny fomba fiainanao
Tsy misy hitanao ny harem-be efa an-tanana
Toy ny mahantra ny fonao, manjoretra
Mitodika havia, mitodika havanana
Sady te-hiavaka no te hitovy amin’ny rehetra
…
Ref.
…
Trondro kely someby milomano avy lavitra ianao
Tsy tonga saina f’izaho anie ny rano izay manenika anao
Mitrakà kely aloha!
Avereno amiko ny masonao!
…
Ref.