Very

Fy Rasolofoniaina

Very


Sombiny avy amin’ny aiko
Izay ahy dia anao
Lazaiko foana hoe ianao lalaiko
Nefa adinonao


Ianao ilay zanaky ny Fitiavana
Ilay tokony hizara indray no mangetaheta
Tinao ho faly izay rehetra mitazana
Ka reraka ianao manakatra lera


Ny maha-ianao anao
Toa very
Ilay fitiavako anao
Lazainao,Mistery


Mora maratra ianao
mora sorena kely
Izao tontolo izao
lasa tinao hiodina aminao irery


Izao rehetra izao sombiniako
Nataoko hanjakanao
Izay rivotra mitsoka indray
no mibaiko,ny fomba fiainanao


Tsy misy hitanao ny harembe efa an-tananao
Toy ny mahantra ny fonao
manjoretra
Mitodika havia, mitodika havanana
Sady te hiavaka
no te hitovy amin’ny rehetra


ny maha ianao anao
toa very
Ilay fitiavako anao
lazainao,mistery


Mora maratra ianao
mora sorena kely
Izao tontolo izao
lasa tinao hiodina aminao irery


Trondro kely misomeby
milomano,avy lavitra ianao
Tsy tonga saina f’izaho anie no
no rano izay manenika anao


Mitrakà kely aloha
avereno amiko ny masonao


Ny maha ianao anao
toa very
ilay fitiavako anao
lazainao,mistery


Mora maratra ianao
mora sorena kely


izao tontolo izao
lasa tinao hiodina aminao irery


Hiodina aminao irery
Hiodina aminao irery


Sombiny avy amin’ny aiko
Izay ahy dia anao


#Reko fy & HisBand


·