Vero
Alala
Vero
(2 X)
Toa rahona mainty, nanako-masoandro ahy raha ny andro tsara, ianao … Verô
Tandrifin-drahona ny orana, ny tafoko tôle vaky mitete, ianao … Verô
Ilay volonao nikopaka
Toa onja nandrava ilay lakana nitatitra ahy
Ny hoho-tananao maranitra
Nandrovitra arato sisa ananako izay
(2 X)
Toa rivo-mahery am-pararano, nanimba ny tany famboleko, ianao … Verô
Andiam-balala, nandrigatra ny tanin’ny katsaka fihinako andavanandro, ianao … Verô
Ilay masonao nirehitra
Toa dorotanety nandoto ilay rivotra mamelona aina
Kakakakanao nirefotra
Nampintsanga-mandry ireo mponin’Ambohimitsilay (?)
[FEON-GITARA SOLO]
(2 X)
Toa sedra, sendra naneho mazava an’ireo fahalemeko takona, ianao … Verô
Zava-kanto, namelona indray ireo fietsehampoko niafina tao ambadika tao, ianao … Verô
Mpivahiny avy lavitra
Nanova ireo kolotsaiko sy fombako fahizay
Anio ianao toa soratra
Nanova ilay boky tantara mirakitra ahy
ouh ouh ouh