Vero

Alalà Telo Trio

Vero


Toa rahona mainty nanako masoandro ahy raha ny andro tsara ianao Vero.
Tandrifin-draho nanorana an-tafoko tôla vaky mitehateha ianao Vero.


Ilay volonao nikopaka, toa onja nandrava ilay lakana nitatitra ahy.
Ny ohotànanao maranitra, nandrovitra ny arato sisa ananako izay.


Toa rivomahery am-pararano nanimba ny tany famboleko ianao Vero.
Andiam-balala nandrigatra ny tanin’ny katsaka fihinako andavanandro ianao Vero.


Ny masonao nirehitra, toa doro tanety nandoto ilay rivotra mamelona ahy.
Ny kakakakanao nirefotra, nampitsanga-mandry ireo mponin’Ambohimitsilay.


Toa sedra sendra naneho mazava an’ireo fahalemeko takona ianao Vero.
Zavakanto namelona indray ireo fihetseham-poko niafina tao ambadika tao ianao Vero.


Mpivahiny avy lavitra, nanova ireo kolontsaiko sy fombako fahizay.
Anio ianao toa soratra, nanova ilay bokin-tantara mirakitra ahy.


·