Venteso ny hira

AFV Anosibe

Venteso ny hira


Faly ny fonay , mankalaza ilay Jesosy mpanjaka
F’Izy no Andriamanitra nahary ny tany lanitra
Ka mendrika ho deraina
Koa venteso ny hira izao, ndeha ary izao sy ianao
Hankalaza eeeee
Adinoy avokoa ‘reo olana ‘zay manahirana anao
Koa andeha re hiara-hidera manomboka izao


Venteso ny hira hanakoako
Hatreto an-tany ka hatrany an-danitra any
Aoreno mafy ny finoanao
Aza mihemotra fa aoka ianao hiroso hatrany ( hatrany)
Koa venteso………
Adinoy avokoa reo olana izay manahirana anao
Fa Jesosy no fanalahidy hanafaka anao


·