VELON’IZY

Sekoly Alahady Mpihira Ambohijanaka Fivoarana

VELON’IZY


1- Jesoa ilay niharitra fijaliana
Niharitra fahoriana
Noho ny heloko sy noho ny helokao


Ô ô ô izy ’lay nokapohina
Nororana ary koa nohesoina
Tsy vitan’izany ihany
Fa nilanja ilay hazo fijaliana e


Jodasy namadika tsotr’izao
Nohony fitiavam-bola
Nefa tsy fantany fa handresy ny zanak’olona a


Ô ô ô misy ireo sahy milaza
Fa hombohy hombohy ho faty
Misy ireo malahelo ka mivavaka ho azy mba hahery


Maty nohon’ny otantsika
Fa velon’izy mandrakizay
Ka hihira hoe:


Ref:
‘Ndao iharapaly fa voavonjy isika rehetra izao
Velon’izy tompo mpanjakan’izao tontolo izao
Efa resiny ny fafatesana
Velona izy ô ô
Velona izy ô ô ô Velona izy
Paska fandresena ho antsika
Velona izy ô ô
Velona izy ô ô ô
Velona izy
Vita ny famonjena ah ah


2- Izy ilay be fitiavana
Nahafohy ny ainy ho anao
Moa ve fantatrao ilay fitiavan-dehibe natolony
Mifaly fa velon’izy hamonjy antsika rehetra
Ka hihira aho hoe:


Ref: *2
‘Ndao iharapaly fa voavonjy isika rehetra izao
Velon’izy tompo mpanjakan’izao tontolo izao
Efa resiny ny fafatesana
Velona izy ô ô
Velona izy ô ô ô Velona izy
Paska fandresena ho antsika
Velona izy ô ô
Velona izy ô ô ô
Velona izy
Vita ny famonjena
Velona izy


A/C: Tina RAZAFINJATO


·