Velona ny Tompo

Chorale Taratr'i Maria

Velona ny Tompo


Vao mangiran-dratsy tamin’ny maraina
No niainga ry Maria
Nitondra zava-manitra hanao ny fomba fanajana ny maty
Akory ny hagagana fa nivoha nidanadana
Ny fasana, ny fasana efa foana


Hay efa velona ny Tompo e, velona ny Tompo e
Hafaliana lehibe ho an’ireo mpianany e
Nony nandre ny nilazan’ny anjely hoe
Efa nialoha lalana anareo
Ny Tompo any galilea (aa, any galilea)
Fiadanana ho anareo (fiadanana ho anareo)


Teo vao tonga saina ireto rahalahiny
Kay izay ilay nolazainy
Ny Zanak’olona dia tsy maintsy ho faty
Fa mbola hatsangan’ny Rainy
Izay ilay fotoana hoe afaka hateloana hitsangana
Handresy handresy ny fahotana


Miombon-kafaliana isika
Fa samy zanak’Andriamanitra
Mpandresy miaraka amin’i Kristy
Nandresy ny fahafatesana
Aleloia velona ny Tompo e
Velona mandrakizay e


·