VELONA NY TOMPO

Chorale Antsan' Ivontovorona

VELONA NY TOMPO


1-Endrey ny hafaliana manenika anay
ny aina izay very dia azo indray
ny lanitra nihidy efa nadanadana
fa resy ilay ratsy: fa velona ny Tompo


2-Nandresy tamin-kery ny fahafatesana izy
nahoana ianareo no miondrika ange
ry kely finoana atrakao re ny loha
mientana ry tany: fa velona ny Tompo


3- Rehefa nahita ny fasana foana
ilay mpianatra tian’i Jesoa dia nino
mba sambatra izay tsy nahita fa mino
fiadanana ho azy : fa velona ny Tompo


4-Isika rehetra nateraka indray
iray amin’ny mofo sy iray amin’ny Tompo
ho faty fa hitsangana tao hoazy koa
hiray mianakavy : fa velona ny Tompo


A/C: Jean Michel RATSIMBAZAFY (ANKALAZAO)


·