Veloma ry Tanàna
Album Music
Veloma ry Tanàna
Hisaraka eto isika izao,
Hisaraka indray.
Mirava ny lalao,
Handeha izahay.
Hokoboniko ao,
Iilay afo mahamay.
Hanomboka ny ady,
Amin’ny alahelo.
Toa tsapako sahady,
Injao mamelovelo.
Hamoha ny voady
Sy tsy ambaratelo.
Fiv: x2
Veloma ry tanàna,
Veloma ry ianao.
Tsarovako mazàna,
Ilay salovanao.
Haoriko ny lamba,
Hilaozako ianao.
Ilay foko efa jamba,
Nampahiratinao.
Tsy ho haiko angamba,
Ny hanadino anao.
Midoboka mangina,
Ny ao anatiko.
Zakaiko ampitsikiana,
Ny fandaozana anao.
Zakaiko ampitsikiana,
ny alahelo anao.
Tonony sy feony : RAZAFINDRAKOTO Barimanana ( Doudou )