Veloma ry sakaiza
Ny Alon-drano
Veloma ry sakaiza
Miaramila maromaro notendrena izahay
Hihaza ny dahalo tany andrefan’i Sakay
Ilay sakaiza tiako, tena mamiko tokoa
Voatifitra ka lavo tsy nifoha
Veloma ry sakaiza
Matoria mandrakizay
Ho tsaroako n’aiza n’aiza
Ny fiarahantsika hatrizay
Raha tonga soa aman-tsara any an-toby aho izao
Dia samy hilazako ireo namantsika ao
Hambarako tokoa azy ireo ry Rahalahy
Fa lavo tamin-kasahiana ialahy !
Ary hatrany Manakara ka hatrany Ambilobe
Hatrany Manalalondo ka hatrany Antsirabe
Dia samy hilazako avokoa ny rahalahy
Fa lavo tamin-kasahiana ialahy.
Veloma ry sakaiza
Matoria mandrakizay
Ho tsaroako n’aiza n’aiza
Ny fiarahantsika hatrizay.
Raha tonga any an-tanĂ na hilazako i Volasoa
Fa efa vita dina ny anareo roa
Raha tonga avy aty dia saika hatao ny raharaha
Kanefa tsy niverina ialahy.
Veloma ry sakaiza
Matoria mandrakizay
Ho tsaroako n’aiza n’aiza
Ny fiarahantsika hatrizay.