Veloma dada havako

RR Majunga

Veloma dada havako


Ry mpandalo lazao raha mba hitanao any ho any
Fasana iray no misy izay dadako izay
Tsy mba misy mpamangy, tsy misy mpijery
Ao i dada tiana, miondam-bato manirery


Lazao, lazao fa mba manan-kambara,
Na ho vavaka indraim-bava ihany
Na fehim-bonin-kazo, fehim-boninkazo tsara
Ho veloma entiko hapetrako any.


Lazao, lazao fa mba manan-kambara,
Na ho vavaka indraim-bava ihany
Na fehim-bonin-kazo, fehim-boninkazo tsara
Ho veloma entiko hapetrako any.


R’ilay tokana nihantako koloiko aok’izany
Tsy hitako intsony lasanao ry fasana ô,
Dada ô, izaho anie ka tomany
Mahery e ny ankason’ny tany
Fa folak’andry niankinana


Nefa anie izany na tian’ny tany na tsia
Mbola ao ihany ny lanitra mbola ho doria ô
Dada ô any hono hoe mifampiandry
Mbola ho avy izahay sy zandry
Izany dadako ô, indray andro any.


·